Gerard Claude Patrick: “Giazan’ny fanjakana foibe ny vola”

Naneho ny heviny, ma­noloana ny raharaham-pirenena ny mpitantana teo aloha tao amin’ny kaominina Toama­sina, i Gerard Claude Patrick na i Patou. Nohitsiny fa tsy mirindra ny fitanta­nana ny firenena. Ny tenany rahateo mpandala ny rafitra federalisma. “Tsy misy fampandrosoana mipaka amin’ ny vahoaka izany eto raha mbola mahazo vahana ny rafitra mampivangongo ny vola sy ny fahefana eo anivon’ny fitondrana foibe”, hoy izy, ny herinandro teo, tao Toamasina. Nanteriny fa sisan’ampango no tonga eny anivon’ny faritra. Tsy mba misitraka izany ireo tsy mpiara-dia amin’ny fiton­drana, araka ny nambarany hatrany. Fikirin’ny fiadi­diana ny Repoblika ny am­pa­hany betsaka amin’ny teti-bolam-panjakana ka maina sy kofona tanteraka ny any amin’ny faritra. “Misedra olana hatramin’ny vahoaka. Ovao ny rafi-pitantana mba tena hisian’ny fampandrosoana mivaingana. Efa fadiranovana sy latsaka anaty fahantrana tanteraka isika. Tsy olona no olana eto fa ny rafitra”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa nisa­hana andraikitra maro teo anivon’ny kaominina izy, fony naha ben’ny Tanàna ny Dr Rakotomanana Gervais.

Sajo

Partager sur: