Famonoana zaza varira : Teratany vahiny iray nalefa eny Tsiafahy

Nalefa eny Tsiafahy, afakomaly, ny teratany vahiny iray mpitrandraka vatosoa. Voarohirohy ho naniraka namono sy nanapa-doha zaza varira natao sorona izy. Voalaza ho antony ny fampiroboroboana ny asany.

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambarotonga voaloahany, etsy Anosy, afakomaly, ilay teratany vahiny. Tom­pon’antoka sy mpaniraka ireo olon-dratsy hamono sy hanapa-doha zazavavy varira vao herintaona sy tapany tany Ankalika, kaominina an-drenivohitra Toliara I, ny 28 mey 2026 teo, izy. Taorian’ny fa­moahan’ny mpitsara didy, naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tenany. Anisan’ny voarohirohy tamin’ny famonoana zaza manana toe-tena varira tany Toliara. Taorian’ny fisamborana ireo olona miisa 18 voarohirohy tamin’io raharaha io. Voasambotra ilay mpaniraka ary izao naiditra am-ponja vonjimaika izao. Fantatra nandritra ny fanadihadiana azy fa mpaniraka ireo olona efa vosambotra teo aloha ny tenany. Ankoatra izay, tompona orinasa mpitrandraka vatosoa any Ilakaka ihany koa izy. Mampiroborobo ny asa fitrandrahana izay ataon’izy ireo ny fampiasana ny taovan’ireny zaza varira ireny, raha ny fanambarana nataon’ny tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly. Amin’ny an­kapobeny, noho ny finoanoam-poana avokoa ny an­ton’izany. Marihina fa efa naiditra vonjimaika am-ponja avokoa ny olona miisa 18 voarohirohy tamin’izany.

Mahakasika ny halatra olona
Manoloana ny fahatrarana mpangalatra olona teto amin’ny Nosy, nandritra ity volana jolay ity. Manodidina ny 10 ny antontan-taratasy voaray ma­hakasika izany, raha ny tatitra nataony hatrany. Olona 15 tamin’ireo nalefa sy nohenoina teny anivon’ny fampanoavana Anosy. 11 tamin’izy ireo no naiditra eny Tsiafahy sy Antanimora. « Miisa 10 ny antontan-taratasy izay nentina teny amin’ny fampanoavana nanomboka ny voalohan’ny volana jolay teo hatramin’izao », hoy hatrany ny Tonia mpampanoa lalàna. Namba­rany fa anisan’ny fomba fiasan’ireo olon-dratsy ireo ny fisintomana ny zaza eny an-trotroana na eny an-tananan’ny reniny. Misy koa ny manamby kilalao na vatomamy ny zaza milalao eny an-tokotany. Ani­san’ny nanampy tamin’ny fisamborana azy ireo ny fiaraha-mientan’ny fokonolona. Manoloana ny tranga tahaka izao, manentana ny ray aman-dreny mba ho mailo sy hanara-maso ny zanany ao an-trano. Tsy haniraka ireny zaza ireny hividy zavatra any an-tsena na hampandeha azy ireny irery ihany koa, mba hisorohana ny mety ho fakana an-keriny mety hanjo azy ireny.

Mino

Partager sur: