Fanadihadiana parlemantera : “Tsy mijabaka amin’ny asan’ny mpanatanteraka”, hoy Pety R.

Mazava ny fanambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety, omaly. Tsy misy fijabahan’ andraikitra any amin’ny mpanatanteraka ny asan’ny vaomiera mpanadihady ny Jirama, izay tarihiny.

Mahabe resaka ny sasany amin’izao ny fanadihadiana parlemantera ataon’ny Antenimie­ram­pirenena momba ny Jirama. Manoloana izany, maneho ny heviny sy ny fanazavany ny filohan’ny vaomiera mpanadihady, ny depiote Rakotoniana Pety, teny Tsimbazaza, oma­ly. “Inona no ilazan’ny mpanao politika iray hoe mijabajaba sy manitsakitsaka ny asan’ny fahefana mpanatanteraka ny parlemanta amin’ny fanaovana fanadihadiana? Tsy misy an’izany, fa fanadihadiana no ataon’ny eo anivon’ny Antenimierampirenena”, hoy izy, ny amin’ny filazan’ny mpanao politika iray fa mitsabaka amin’ny asan’ny fahefana mpanatanteraka ny fanadihadiana parlemantera. Tom­bontsoan’iza no arovana? Tsy hihemotra ny fanadihadiana na misy aza ny fandrahonana.

Ny lalàna fehizoro 2014-001 no ahazoan’ny depiote manao fanadihadiana parlemantera. Nahitsin’ny lalàna 2014-034 momba ny asan’ny Antenimierampirenena izy io. Manampy an’izay ny fitsipika anatiny mifehy ny Ante­ni­mierampirenena. Milaza ireo lalàna ireo fa ny fanadihadiana parlemantera dia natao hanadihady sampandraharaham-panjakana na orinasam-panjakana hitadiavana ny olana ao aminy mba hahazoana mandroso sosokevitra hanaovana fanatsarana. Izay no tena hevi-dehibe amin’ny asan’ny parlemanta. Na fiarahamonina sivily na avy amin’ny sehatra tsy miankina, raha tombontsoany manokana mihoapampana fotsiny no eritreretiny: tsy eken-dry zareo izany. Toy izay hitan’ny vaomiera mpanadihady ao anivon’ny Jirama amin’ireo fifanekem-piaraha-miasa. Izay no ijoron’ny parlemanta amin’izao. Hovitaina hatramin’ny farany ny fanadihadiana parlemantera, ary hampahafantarina ny vahoaka ny vokatra.

R. Nd.

Partager sur: