Efa mipetraka ho fihaonambe. Hanasongadinana ireo vazo misy tonony miteny ny « Revirevy mody Masoandro ». Tsy novaina ny tarika handray anjara.
Mahaleo, Lolo sy ny tariny ary Samoëla. Tsy mila fanazavana maro fa avy hatrany dia misy sary ao an-tsaina vao maheno an’ireo tarika ireo. Izy ireo ihany no hanafana ny andiany fahefatra amin’ny « Revirevy Mody Masoandro », izay hatao ny alahady 26 jolay, eny amin’ny Parking CCI Ivato. Toy ny revy vazo an-gitara manodidina afon-dasy ilay sary an-tsaina, izay hotontosaina mihitsy fa amin’ny sehatra goavana sy toerana midadasika.
« Miainga amin’ny fifankahazoana am-po eo aminay mpanakanto izy ity. Miaraka mirevy izahay eny ambony sehatra. Avy eo miaraka aminareo rehetra, satria mampirevy tononkira izahay. Mbola tsy kivy izahay na dia mihasarotra aza ny mihaino tononkira amin’izao, satria mbola eo ianareo mpankafy », hoy ny nambaran’i Dama, nandritra ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Airtel Ivandry.
« Tsy mampanantena zava-baovao izahay, fa mampanantena revy milay », hoy i Samoëla. « Tsy lamaody intsony fa efa an’ny fiarahamonina sy kolontsaina ity revirevy ity » hoy kosa i Benny, nanamafy. Midika izany fa efa revy mandeha, tsy dia fotoana hahenoana hira vaovao io, fa izay tena andrasan’ny mpankafy amin’ny tarika telo tonta. « Zavakanto, revy no hampitaina amin’ity fotoana efa ifanomezantsika isan-taona ity. Ny azonay ampanantenaina dia ho maro kokoa ny hira iarahan’ny telo tonta amin’ity », hoy kosa i Soa Hubert, mpikarakara avy ao amin’ny Louvto Company.
Satria mifanandrify amin’ ny lalan-tsain’ny Airtel Money amin’ny fanohanana ny zavakanto malagasy ny hetsika, hanohy ny fanohanana izy ireo. Hisy, araka izany, ny fihenam-bidy 5 000 Ar ho an’izay manjifa ny famandrihana Gold sy Vip amin’ny alalan’ny Airtel Money.
Zo ny Aina




