Feno 90 taona ny Sampana mavo sy ny Sampana mena, an’ny fikambanana Tily eto Madagasikara. Manomana lasy lehibe roa ny mpikarakara ny 1 ka hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao, any Moramanga, hanamarihina izany jobily izany. Zazalahy 6 ka hatramin’ny 11 taona no beazina ao amin’ny Sampana mavo, raha ireo tanora 17 ka hatramin’ny 19 taona kosa ho an’ny sampana mena. Mahatratra 4 800 ireo mpandray anjara amin’ny lasy nasionaly ho an’ny Sampana mavo, ahitana ny lovetao sy ireo mpiandraikitra sy tomponandraikitra samihafa ary vahiny maro. Zandriny indrindra ny lovetao ary mibahan-toerana amin’ny fampianarana omena azy ireo ny lalao sy ny fandraisana andraikitra ary ny fiainana eny anivon’ny voahary.
700 ny tanora sy mpiandraikitra ho avy any Moramanga, ho an’ny Sampana mena. Ao anatin’ny sokajy fanomanana hidirana amin’ny fiainana maha olon-dehibe sy ny fandraisana anjara toerana eo anivon’ny fiarahamonina ity sampana ity. Mifototra amin’ny lalàna skoto sy ny fiainana anaty vondrona ary ny fitarihana ny fanabeazana.
Vonjy




