Fitantanana loza sy tandindon-doza : Nofanina ireo fikambanana miahy ny sembana

Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny fikambanana mi­ahy ireo olona manana fahasembanana momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Manana andraikitra avokoa ny sokajin’olona rehetra. Fikambanana telo misehatra ao amin’ny faritra Atsinanana: COPH, Afham ary Faam no nisitraka izany nandritra ny volana jona lasa teo. Tanjona ny hifehezan’ireo mpiofana ny maha zava-dehibe ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Manampy izany ny anjara andraikitr’izy ireo mifandraika amin’izay sy ny famaritana ny filana manokana ho an’ny olona manana fahasembanana rehefa miseho ny voina.
Taorian’ny fiofanana, nidina ifotony tany amin’ny kaominina Fanandrana, distrikan’i Toamasina II, ireo mpiofana nampihatra ny fahalalana azony nandritra ny fivoriana niaraka tamin’ny vaomieran’ny kaominina misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nomarihin’izy ireo fa ilaina ny mandray ny filana manokan’ny olona manana fahasembanana rehefa mandrafitra paikady famindrana toerana ny olona. Tokony ho voafaritra mazava koa ny toerana rehetra misy olona ma­nana fahasembanana eo anivon’ny kaominina.
Hizara ny fahalalana azony sy hanentana ny mponina momba ny zon’ny olona manana fahasembanana, fa indrindra handrisika ireo olona sembana handray anjara amin’ny andraikitra maha olom-pirenena, ireo mpiofana.
Tafiditra amin’ny tetikasa vatsian’ny ARC Replica, izay manampy ny tokantrano ao amin’ny fokontany Ambodikily sy Ambatorao, ao amin’ny kaominina Fanandrana, ny fanofanana.

Vonjy

Partager sur: