Foibem-panadinana LMA : Mpiadina 761 niatrika ny adina ara-panatanjahantena, “théorie”

Nikatona tanteraka, omaly, ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny, raha mbola hiatrika ny dingana faharoa ny sampana teknika sy teknolojia mandritra ny hefarana, manomboka ny alatsinainy 27 jolay ho avy izao.

Omaly no niatrika ny taranja Sciences économiques et sociales (SES) ny mpiadina bakalorea ho an’ny sokajy L, S ary ny OSE manerana ny Nosy. Nitohy ny fanatanterahana ny fanadinana na teo aza ny androm-pisaonam-pirenena, araka ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Notontosaina, omaly, koa ny adina “théorie” ho an’ny taranja fanatanjahantena natokana ho an’ireo mpiadina tsy afaka niatrika izany teny an-kianja noho ny antony samihafa. Teto Anta­nanarivo, teny amin’ny foibem-panadinana Lycée mo­derne Ampefiloha no nandray ireo mpiadina 761, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

Hentitra ny fiarovana

Mijoro ho ivon’ny fandrindrana ny fiarovana ny fanadinana bakalorea 2026 ny « Centre opérationnel de suivi et de sécurisation du baccalauréat Analamanga ». Ao no anangonana sy anadihadiana ireo vaovao rehetra mahakasika ny fizotry ny fanadinana, ahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana sy ma­homby. Nitsidika ity ivontoerana teny amin’ny Direction ré­gionale de la sécurité publique Analamanga, eny Ivato, ity ny minisitra mpiahy Pr Ravoni­manantsoa Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’ity herinandro ity.
Noresahina manokana nandritra ny fitsidihana ny fizotry ny fanadinana bakalorea, ny fandrindrana ny asa fiarovana sy ny fitandroana ny filaminana ary ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny minisitera mpiahy sy ny polisim-pirenena hiantohana ny filaminana sy ny fahamarinan’ny fizotry ny fanadinana bakalorea manerana an’i Mada­gasikara.

Vonjy

Partager sur: