Mpampianatra fito, avy amin’ny Ecole doctorale mathématiques et applications (EDMA), ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, no misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny matematika. Atao any Filadelfia, nanomboka ny alakamisy lasa teo ka hatramin’ny 31 jolay ho avy izao ny hetsika. Hanolotra ny asa fikarohany avy, eo anatrehan’ny fianakaviamben’ny mpampianatra matematika maneran-tany, izy ireo.
« Mahafaly ny mahatsapa fa manana toerana sahaza azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Malagasy mpahay matematika ary zava-dehibe ho anay izany », hoy ny profesora Randriambololondrantomalala Princy, lehiben’ny sampam-pampianarana Matematika ao amin’ny oniversiten’Antananarivo izay nitarika ny delegasionina.
Mandritra io fivahiniana any Etazonia io ihany koa ity lehiben’ny sampam-pampianarana ity no hitrandraka sy hanamafy ireo fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite amerikanina sy ny oniversiten’Antananarivo. Nampiantrano vao tsy ela rahateo ny profesora Jasbir Chahal, Matematisianina sy ny mpampianatra amerikanina avy ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ity sampam-pampianarana ity. Nizara traikefa akademika tamin’ny alalan’ny programa The fullbright program izy tamin’izany. Ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara izay manohana hatrany ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiaraha-miasa akademika toy izao.
Vonjy




