Fambolena: tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Ankoatra ny fizarana zezika natao faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanaovana soniam-piaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina sy ny vondrona samihafa. Isan’ny manosika ny fanjakana hanatratra ny vina napetrany izao natao izao.

Nisy ny fanaovana sonia fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fa­m­bolena sy ny fiompina, niaraka tamin’ny JICA. Tanjona amin’izany ny fanofanana ny tantsaha hanana drafitra sy paikady tsara kokoa sy matihanina eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ny fomba “Small-Holder Empowerment and Promotion” na SHEP, ity hampiharina ity. Nitombo avo telo heny ny vola niditra tamin’ ny tantsaha, tany amin’ny firenena nampiasana ity fomba ity. Fampiofanana sy fampianarana ho an’ny tantsaha no hanombohana ny fiaraha-miasa amin’ny JICA .
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy fiompina sy ny Jica, avy any Japon. Vina iraisana amin’izany ny fanatrarana ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo. Hisy araka izany, ny fampiharana ny fomba SHEP amin’ny tantsaha, fomba famokarana mitodika amin’ny tsena. Fahafantarana ny filan’ny tsena no tombony ho an’ny tantsaha mampiasa ity fomba ity. Faritra enina no kasaina hampiasana ny fomba SHEP ary ny voly mampidi-bola no hampiharana azy. Hisy ny fampiofanana sy fampianarana ny tantsaha eny anivon’ny faritra hanaovana ny fomba SHEP, iarahan’ny manam-pahaizana Japoney, avy amin’ny Jica, sy ny rantsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy fiompiana.
Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa ETG Inputs Madagascar sy ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana ny amin’ny fananganana orinasa hanodina sy hanafangaro ny zezika NPK eto Mada­gasikara. Nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny fananganana ity orinasa ity, ary haharitra 10 taona, azo havaozina, ny fifanarahana. “Mifandraika amin’ny ezaky ny filoham-pirenena ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sahala amin’izao. Tanjona ny fampiroboroboana ny fambolena ka hampiakarana ny taham-bokatra”, hoy Ramilison Harifidy, solontenan’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana. Hisy ny fampifanarahana ny vidin’ny zezika vokarin’ity orinasa ity amin’ny fahefa-mividin’ny tantsaha, araka ny nambaran’ity solontenan’ny minisitera ity hatrany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: