Lehilahy 31 taona naratra voatifitry ny olon-tsy fantatra tany Mananasy, fokontany Ambohimanarivo, distrikan’ Ankazobe, ny alin’ny alatsinainy 27 jolay hifoha ny Talata 28 jolay lasa teo. Nandeha irery avy any amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Fiadanana izy, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina tany ho any. Nifanena tampoka tamin’ny telo lahy izay tsy fantany izy rehefa tonga teo Analakisoa, fokontany Ambohimasina. Notsiloviny tamin’ny jiro mandeha amin’ny herinaratra teny an-tanany ireo telo lahy ireo saingy tifitra variraraka avy hatrany no setrin’izany. Voatifitra teo amin’ny sorony havanana sy teo ambanin’ny masony havia ary teo ambany sofina havia izy. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsiny. Nisy nahita ity voatifitra ity taorian’izay ka nentina nihazo ny hopitaly any amin’ny kaominina Fiadanana.
Nahazo vaovao mahakasika izany ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Fiadanana, afakomaly, ka nidina ifotony nijery ny zava-misy. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitalin’ny Fiadanana ilay naratra tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana ary efa tsy misy atahorana ny ainy. Manoloana io tranga io, nanao tagnamaron’ny fandriampahalemana ireo vahoaka manodidina ny 80 isa any an-toerana. Nentanina mba hiambina ny faritra sy hanara-maso ireo olona vahiny sy mivezivezy tsy amin’antony eny amin’ny faritra ihany koa ny mponina. Eo koa ny fanentanana ny vahoaka mba tsy handeha irery na andro na alina. Mitohy ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Marihina fa toerana voalaza fa nitrandrahan’ny olona volamena ilay toerana nitrangan’ny fitifirana.
Mino




