SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina etsy amin’ny Acsa Ambohidahy, manomboka anio hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Atleta maherin’ny 200 eo no hifanintsana eny an-toerana, tafiditra anatin’ireo hanaovana fifantenana ny handrafitra ny ekipam-pirenena izay mendrika amin’izany.

Navoakan’ny pejin’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, tao amin’ny pejiny fa lasa mpanazatra ao amin’izy ireo ilay Malagasy teknisianina, Rakotondrabe Romuald Felix, na ny Coach Rôrô. Hatramin’ny nanoratana omaly sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray, mbola mitady ny marimaritra iraisana ity klioba ity sy ny mpazanatra Rôrô.

Tontosaina any Manakara, nanomboka afakomaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra amin’ny torapasika, « Beach Soccer ». Mahatratra fito ireo mpifanintsana amin’izany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny loharanom-baovao iray, natao hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny Barea io fifaninanana nasionaly io.

Partager sur: