Tetikasa Produir : Notsidihina ny fonenan’ireo mpifindra monina

Tonga eto amintsika, mijery ifotony ny fizotry ny fandaharanasa Produir I sy ny II, ny avy amin’ny mpamatsy vola. Mitarika izany ny mpitantana misolo tena ny Vondrona afrikanina (UA) ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena, Harold Tavares.

Tanjon’ny fidinana ifotony nataon’izy ireo, ny alakamisy teo, ny handinihina ny vokatra efa azon’ny tetikasa Produir I, sady hijerena akaiky ireo asa lehibe kasaina hotanterahina ao anatin’ny Produir II.
Anisan’ireo toerana notsidihin’ireo delegasionina ny toeram-ponenan’ireo mponina nafindra toerana ao Andava­mamba. Naorina tamin’ny alalan’ny tetikasa Produir I izany. Nojerena tamin’izany koa ny fivoaran’ny fari-piainan’ireo mponina sy ny fiantraikan’ny fanohanana nomena azy ireo.
Nitohy tamin’ny fitsidihana ny lakandrano eo anelanelan’ny 67 Ha Avaratra Atsinanana sy Cenam izany avy eo. Ani­san’ireo fotodrafitrasa kasaina havaozina ao anatin’ny Pro­duir II. Nambaran’ireo nandaha-teny fohy fa natao handinihina ny maha zava-dehibe ireo asa kasaina hotanterahina izany.

Fanatsarana ny fiainan’ny mponina

Nambaran’ireo tomponandraikitra fa manamafy ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Ma­dagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena izao fitsidihana izao. «Maneho ihany koa ny fanohizana ny fanohanana ireo tetikasa laharam-pahamehana, indrindra ireo mikendry ny fampandrosoana ma­haritra sy ny fanatsarana ny faripiainan’ny mponina izany», hoy ihany izy ireo. Tsiahivina fa niaraka nidina ifotony nijery ireo asa sy fotodrafitrasa ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany (MATSF) ary ny ekipan’ny Banky iraisam-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: