Hatramin’ny rahampitso no hanamarihana ny “Herinandro maneran-tany ho an’ny fampinonoan-dreny”, araka ny tetiandro napetraky ny “World Alliance for Breastfeeding Action (WABA)”. Ny fampinonoan-dreny, ainga tsara indrindra sy maharitra eo amin’ny fiainana; andeha hamafisintsika izay efa mahomby. Io no lohahevitra novoizina tao natin’ny herinandro.
Paikady lehibe iadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo eto Madagasikara ny fampinonoan-dreny. Io no sakafo lavorary indrindra ho an’ny zaza satria manome ireo otrikaina rehetra izay ilain’ny zaza, manampy amin’ny fitomboany sy ny fivoarany ary miaro azy amin’ny aretina ihany koa izany.
Voaporofon’ny fikarohana ara-tsiansa fa ny fampinonoan-dreny lavorary dia manampy betsaka amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza sy fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Hafatra fototra ny tokony hampinonoana avy hatrany ny zaza vao teraka mba hahazoany ny ranombatsy, fiarovana voajanahary voalohany ho azy. Nonon-dreny irery ihany no sakafo ilain’ny zaza mandritra ny enim-bolana voalohany. Tohizo ny fampinonoana hatramin’ny faharoa taonan’ny zaza na mihoatra, miaraka amin’ny sakafo fanampiny mifanaraka amin’ny taonany.
Tatiana A




