Ady tany niafara tamin’ny vono olona : lehilahy iray maty voatifitra, iray hafa azo velona

Disadisam-pianakaviana tonga hatramin’ny ra nandriaka. Nifamaly ireto mpihavana ka novonoin’ny dadatoany sy ny namany ny havany nifan­ditra taminy noho ny resaka ady tany. Maty voatifitry ny polisy miasa ao Sakaraha, omaly, ny lehilahy voarohirohy tamin’ilay vono olona tao an-toerana ny alin’ny alahady teo. Voasambotra tao Anda­boly-Toliara, afakomaly, kosa ny namany iray hafa niray tendro taminy.
Tsiahivina, nisy trangana vono olona tao Antsokay, 10km miala ny tanànan’i Sa­karaha ny alahady teo. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny tompo-manjo sady nitantara ny zava-nisy. Nisokatra ny famotorana sady nokarohina ireo voarohirohy tamin’ity vono olona ity. Fantatra ta­min’izay fa lasa nandositra any Toliara ny iray tamin’ireo nandatsak’aina. Ny alatsinainy teo, tra-tehaka nandritra ny sakana nataon’ny Polisin’ny Fip ny lehilahy iray tamin’ireo voalaza ho namono olona. Natorony nandritra ny famotorana azy kosa ny iray hafa namany niray tendro taminy. Niafina tany anaty ala fambolena ralehilahy saingy tsy namelan’ny mpitandro filaminana. Omaly, nisambotra azy ny polisy saingy nanapoaka basy vita gasy teny aminy ilay jiolahy vao nahatazana ireo mpisambotr’azy. Raikitra ny fifanjevoana ka lavo tamin’
izany ny tenany.

Henintsoa Hani

Partager sur: