Hatao ny 13 sy ny 14 aogositra ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika manokana, «Moris Mada Business Connect». Hetsika entina hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy i Maorisy. Manohana azy ny Yas Business, izay nanamarika zava-dehibe miavaka tokoa ny «Moris Mada Business Connect», satria hanomezan-danja ireo otrikarena eo amin’ny roa tonta. Toy ny fototra ara-niomerika, ny maha olombelona. Toy ny fotodrafitrasa lalana ny ara-niomerika, ankehitriny, izay mahatratra 12 000 km ny halavan’ny tariby fifandraisan-davitra «fibre optique», ampiasain’ny Yas eto Madagasikara. Misy ny tambajotra any ambany ranomasina, «Metis», miainga any Taolagnaro mampifandray amin’i Maorisy.
Hanitarana ny lalam-barotra
Mpiara-miombon’antoka manohana ny «Moris Mada Business Connect» ihany koa ny Federasionina Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Madagasikara (CCIM). Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanitarana ny lalam-barotra ho an’ny orinasa malagasy, sy hanamorana ny fampiasam-bolan’ny maorisiana eto amintsika. Nanamafy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, fa efa misokatra ny ivontoerana «Hub» any Maorisy, ho an’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Tanjona ny hanokafana lalam-barotra mankany Afrika sy Moyen Orient.
Njaka A.




