Hampiakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara ny fiakaran’ny vidin-tsolika ka hampihena ny fahefa-mividin’ny mponina. Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny komity misahana ny politika ara-bola sy ireo mpisehatra ara-toekarena ny alarobia teo. Nisongadina tao anatin’izay fa mbola tsy niova ny vidin-tsolika eto amintsika na mbola mihatra ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).
Hamatsy rano fanampiny 4 500 m³ isan’andro eny amin’ny faritra avo eto Antananarivo ireo tobim-pamokaran-drano fisotro madio (UCT) miisa roa vaovao ao Mandroseza. Am-perinasa nanomboka ny alatsinainy teo ireto fotodrafitrasa izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio (PAAEP). Tanjona ihany koa ny hanavao ny tambajotra sy hampitombo ny tokantrano misitraka rano fisotro madio.
Nanova vonjimaika ny fandaharam-potoanan’ ny sidina mankany Toamasina sy Antsiranana ny Air Austral noho ny olana ara-teknika nahazo fiaramanidina ATR iray an’ny Ewa Air. Hiverina hiasa androany ilay fiaramanidina, hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ihany koa ny sidina. Niala tsiny tamin’ireo mpandeha voakasika ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka moa ny kaompania.




