Festival Zaza mifety 2023 : hanome sehatra ny tanora ny IFM

Hiavaka ny hetsika hotanterahina etsy amin’ny Institut Français de Madafascar (IFM) manomboka ny 25 febroary izao. «Festival Zaza mifety 2023», hanomezana sehatra sy hikoloana ary hampivelatra ny talentan’ny ankizy sy ny tanora. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny teatra, sarimihetsika, angano, fanova-maso, mozika…
Sabotsy 25 febroary ka hatramin’ny 4 marsa, hisy hatrany ny fampisehoana eny an-tsehatra, sarimihetsika ary ny atrikasa. 25 febroary, amin’ny 3 ora tolakandro, seho «I Fitempo» hiarahana amin’ny Mamiso Trio avy any La Réunion. Ny 4 marsa, seho « I Sakasaka », hotanterahin’ny Zolobe avy any Antsiranana. Hampiavaka ny « Festival Zaza mifety » ny fisian’ny atrikasa roa lehibe. 1 marsa, fanamboarana zavamaneno « éco » » miaraka amin’i Mbaks. Hanatanteraka ny « Maquillage artistique » kosa ny Me’art. Ny 4 marsa, « L’art de se déguiser : « Et si Rio était à Tana ? » » hiarahana amin’i Olivia Bourgois. « Collage et dessin : « Ima­giner la suite d’une image » hanehoan’i Marie Malvasio ny talentany momba ny sary sy ny kirakira mifanaraka amin’izany. Hiverina hanatanteraka sy hanohy ny « Ma­quillage artistique » notanterahiny ny 1 marsa indray ny Me’art.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: