Hametrahana “Campus Universitaire” ao Ankadinanahary, Ambositra. Nidina ifotony nijery ny ametrahana izany ny minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Niara-dalana azy tamin’izany ireo manam-pahefana ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy miandry ela, hapetraka amin’ny herinandro ho avy izao ny vato fototra. Tanjona amin’ny fanorenana foto-drafitra maoderina sy mendrika ny hampiakarana ny lenta sy ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony.
Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pampianarana isam-paritra, misy ny vinavina fametrahana ofisin’ny bakalorea isaky ny oniversitem-paritra tahaka ny efa misy any Sava, Itasy, Vakinankaratra ary Analanjirofo izao ezaka izao.
Nitsidika ny Univam koa ny minisitra, ary nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra notarihin’ny filohan’ny oniversite.
Taorian’ny fitsidihana tany Ambositra, nitohy tao Fandriana ny dia. Nitsidika ny fanorenana efitrano fianarana ho an’ny Univam- Annexe ao Fandriana ny minisitra. Nihaona tamin’ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha izy. Nifantoka tamin’ny fifampiresahana momba ny zava-misy sy ny filan’ny fampianarana ambaratonga ambony ny dinika. Nialoha izany, nisy ny velatsihy niarahana tamin’ireo mpisehatra ireo.
Vonjy




