Manao hetsika ho an’ny ray aman-dreny manana zanaka hafakely ny Autisme Madagascar. Tanterahina amin’ny faritra 10 manerana ny Nosy izany. Mihaino sy manampy azy ireo amin’ny fitaizana ny zaza izany. Miara-miasa amin’ny manam-pahaizana manokana toy ny Dokotera sy mpandinika ny saina ny fikambanana. Tanjona ny fanohanana ho enti-manampy ny ray aman-dreny amin’ny fitantanana ny fihetsem-po, adin-tsaina sy ny maro hafa izay iainan’ny zaza amin’ny andavan’andro. Manampy be dia be amin’ny fitaizana izany, araka ny fanazavana.
Mikarakara fotoana natao hitsaharana na hiatoana (répit) ny tomponandraikitra. Ahitana izany ny ivon-toerana mampifandray misy ny Autisme Madagascar eto Analamanga, Anosy, Diana, Boeny, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vakinakaratra, Menabe, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana,
Natao hakana aina sy hialan’ny ray aman-dreny na ny olona mpanampy mikarakara ny olona manana fahasamihafana sasatra izany. Tena manan-danja satria fanohanana azy ireo amin’ny andraikitra sahaniny isan’andro manoloana ny olona iadidiany. Matetika ny sabotsy no hanaovana azy arakaraka ny fahafahan’ny ivon-toerana tsiriairay any amin’ny faritra.
Efa fandaharanasan’ny Autisme Madagascar hatramin’izay 10 taona mahery nijoroany ilay fiatoana, tolo-tanana ho an’ny ray aman-dreny. Mbola mitohy izany ankehitriny, noho ny fahatsapan’ny fikambanana fa zava-dehibe ny fahalalan’ny fianakaviana fa tsy irery izy ireo.
Vonjy




