INDRAY MIJERY

75 ny distrika nahitana trangana Mpox hatramin’ny faran’ny herinandro teo, 34 no manana marary amin’izao fotoana izao, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanomboka ny 18 desambra ka hatramin’ny 8 aogositra, nahatratra 3272 ny tranga voamarina, 22 no maty ary 2342 ireo sitrana.

Misy fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy noho ny tsioka atsimo. Hahatratra 55 km isan’ora indraindray ny hamafin’ny rivotra. Hanomboka ny rahampitso hatramin’ny alakamisy ho avy izao ny filazana miloko maitso mahakasika an’i Morombe hatrany amin’ny tanjona Vohimena.

Ao anatin’ny fanomanana ny lalao nasionaly ho an’ny fanatanjahantena an-tsekoly 2026 tanteraka ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny CEG Mahabibo, Mahajanga, izay fitsirihana ara-pahasalamana ireo mpandray anjara ny minisitra roa tonta ho fitsinjovana ny fahasalamana sy ny fahavononan’ireo mpianatra hiatrika izany. Hanomboka anio ary hifarana ny 16 aogositra ny hetsika ao Mahajanga.

Partager sur: