Hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra, hanamafy fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra ara-toerana ho an’ny fampandrosoana ny fihaonambe ara-toekarena « Moris Mada Business Connect Summit ».
Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ny hetsika, omaly, teny amin’ny CCI Ivato. Hitohy androany ny fihaonambe, fotoana ahafahan’ireo mpandraharaha sy orinasa ary rafi-panjakana samihafa mikaondoha hampivelarana ny lalam-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Fifanakalozan-kevitra mirindra miisa 10, fihaonana amin’ireo mpandraharaha miisa 500, manam-pahaizana manokana ara-toekarena maherin’ny
100 ary fifanaraham-piaraha-miasa miisa telo no andrasana hivoaka mandritra ny hetsika. Fotoana iray ahafahan’ireo mpisehatra ara-toekarena mifampizara traikefa, mitady mpiara-miombon’antoka ary mametraka tetikasa iombonana ny « Moris Mada Connect Summit ».
Antony, nahatonga ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Maorisy Madagasikara (CCIMM), ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria ho an’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indianina (AIOCCI) ary ny Federasion’ny Antenimieran’ ny Varotra sy ny Indostria eto Madagasikara (FCCIM), eo ambany fiadidian’ny Praiminisitra nikarakara ny fihaonambe.
Paikady
“Ny fanamafisana ny fifamatorana ara-barotra sy ara-indostrialy eo amin’ny Nosy roa tonta dia mametraka ambony ny fampandrosoana ny toekarena eto amin’ny Ranomasimbe Indianina”, hoy ny minisitry ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, Raharimanjato Ny Riana Nampoina, nandritra ny fanokafana ny « Moris Mada Business Connect Summit ». Ho an’ny minisitry ny Asa, fampananan’asa sy fifandraisana ara-indostrialy ao Maorisy, Muhammad Reza Cassam Uteem, dia tokony hitondra vokatra azo tsapain-tanana ny fampifandraisana ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena. Notohizany fa manokatra varavarana vaovao ho an’ny orinasa sy mpandraharaha amin’ny nosy mirahavavy ny hetsika toy izao. Sehatra iray hamadihana ny fifanakalozan-kevitra ho fiaraha-miasa sy ho an’ny fampiasam-bola, hamoronana asa sy hanatanterahana tetikasa ny « Moris Mada Business Connect Summit 2026 ».
Henintsoa




