Hotanterahina ny 21 ka hatramin’ny 25 septambra izao ny fivorian’ny vaomiera nasionaly misahana ny fanomezan-dalana (CNH) sy ny vaomiera nasionaly misahana ny fankatoavana (CNA), ho an’ireo sekoly ambony tsy miankina eto Madagasikara.
Hivoaka ankarihary amin’ ny tranokalam-pifandraisan’ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres) ny lisitra ofisialin’ ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony rehetra nahazo alalana hisokatra manerana ny Nosy.
Afaka manatona mivantana ny fitaleavana ankapoben’ny fampianarana ambaratonga ambony (DGES) eny Tsimbazaza ireo te hanamarina ny maha ara-dalàna ny toeram-pampianarana iray. Anisan’ny asa atao ny fidinana ifotony sy ny fanaraha-maso ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony.
Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fivoriana ny fanaovana fidinana ifotony atao amin’ireo sekoly ambony maro mampiahiahy.
Hiavaka tsara manomboka izao ireo sekoly mijoro ara-dalàna sy manana fahazoan-dalàna hisokatra ary manana ireo tolotra fiofana ankatoavin’ny fanjakana.
Zava-dehibe ho an’ny tanora manohy fianarana ambony ny mahafantatra azy ireny. Satria, iankinan’ny hoaviny indrindra rehefa hiditra amin’ ny sehatry ny asa na eto an-toerana indrindra fa any ivelany izay tena hentitra amin’ny lentan’ny sekoly nianarana sy nahazoana ny diplaoma.
Manaitra ny sain’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny Mesupres mba hampitombo ny fahamailoana ka hanadihady tsara sy hamantatra ireo karazan-tsekoly manome tolotra ara-piofanana hamantarana ny sekoly tena azo antoka sy manana lenta eo anivon’ny fanjakana ny diplaoma avoakany sy ny fiofanana omeny.
Tatiana A




