Mitondra ny fomba fijeriny ny mpahay haifiarahamonina, Lanto Ratsida, mahakasika ny rafitra federaly voizina ankehitriny. Tsapan’ny tanora nandritra ny fakan-kevitra nataon’izy ireo fa mivangongo eto Antananarivo ny fahefana. Misy fandrika eo amin’ny famakafakana ara-jeografika anefa izany. Diso ny fijerena fa manome vahana an’Antananarivo ny rafitra tokana.
Tokony ihoarana ny adihevitra be mahakasika ny fanjakana tokana sy ny rafitra federaly. Tsara iadian-kevitra indray mandeha ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena ny hevitra momba izany. Tokony hivoaka ny hevitry ny rehetra na tanora na olon-dehibe.
Tokony hisy fanavaozana be hatao momba ny fikarohana siantifika momba ny fomba fandehan’ny fampivondronana fahefana na fanapariaham-pahefana. Jerena ny angon-drakitra ara-tsaritany sy ny rafitra momba izany federalisma izany.
Tokony ho hita ao anatin’izany fikarohana izany ny fampahafantarana mazava amin’ny rehetra ny tombony amin’ny fanovan-drafitra tiana hoentina. Sokajin’olona manahoana no hahazo tombony amin’izany rafitra fampivondronana fahefana sy fanapariaham-pahefana izany? Aleo ny siansa no hanaporofo azy, hoy i Lanto Ratsida.
Tatiana A




