Nampahafantatra ny Tranombokim-pirenena fa mikatona izy ireo ao anatin’ny roa herinandro, manomboka anio hatramin’ny 28 aogositra izao. Hatao izany mba hisian’ny fotoana hahafahana manao ny fanisana ireo tahirim-boky sy hanaovana ny lamina samihafa hirindran’ny famakiana boky.




