Tanà Medium Ring 90 kV : Hanohana ny famokarana herinaratry ny RIA

Hanohana sy hanamafy ny famokarana herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny tetikasa Tanà Medium Ring 90 kV. Miisa 8 ny tobim-pamokarana herinaratra hatsangana eto Antananarivo sy ny manodidina.

Notanterahina ny zoma teo, ny tombana mialoha ny fanatanterahana ny « Tanà Medium Ring ». Fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo manampahaizana teratany sinoa, tomponandraikitra malagasy ary ireo mpiara-miombon’antoky ny tetikasa. Nifantoka tamin’ny lafiny teknika sy ny dingana manaraka amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny dinika natao. Nivoitra tao anatin’izay ireo toerana miisa valo hametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra. Hanavao tanteraka ny RIA ny « Tanà Me­dium Ring ». Tanjona ny hampihena ny olan’ny fahatapahan-jiro sy hamokarana herinaratra hatrany amin’ny 90 kV. Hapetraka ihany koa ny vata mpanova herinaratra MT/BT. Faritra samihafa manodidiana an’Antananarivo no hametrahana ireo fotodrafitrasa ka anisan’izany ny ao Antsipolitra, Antsirabe I, Anta­nifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II ary Imerintsiarosika. Kendre­na ny hamaliana ny filana he­rinaratra izay tsy mitsaha-mitombo eto an-toerana.
Famatsiam-bola avy any Sina
Mitentina 177 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny China International Development Cooperation Agency (CIDCA) natokana an’ny « Tanà Medium Ring ». Nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, tamin’ny 5 febroary ihany koa ny tetikasa. Hanao ny asa ny orinasa sinoa TBEA Group, manam-pahaizana amin’ny fotodrafitrasa elektrika. Marihina fa dingana lehibe mialoha ny hanombohana ny asa samihafa ny tombona natao teny Ampandrianomby. Heverina fa hampitombo ny famokarana herinaratra ho an’ny mponina sy hamaly ny filana angovo izay mitombo hatrany ny « Tanà Medium Ring 90 kV ».

Henintsoa

Partager sur: