Tontosa ny zoma 14 aogositra teo, tao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy ny famoahana ny boky «Miaka-bolana» mirakitra tononkalo nosoratan’i Faniry Hantarinivo. «Tononkalo nosoratana fony mbola zaza ka hatramin’ny roa volana lasa no ao anatin’ny « Miaka-bolana » », hoy izy. Tononkalo itoeran’ny fanantenana, fotoana mampamelana ny voary, hananana fijery miabo hatrany amin’ireo tranga tsy maintsy lalovana eo amin’ny fiainana, raha ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo.
Tononkalo amin’ny fiteny malagasy, nadika ihany koa amin’ny fiteny frantsay ao anatina fizarana telo no mandrafitra ny boky « Miaka-bolana ». Fizarana voalohany, hianohana ireo tononkalo miaka-bolana ny fitia ho an-dry… Ho an’ny mpanoratra, ho an’ny mpamaky, ho an’ny vady andefomandry, sns. Fitiavana ny tena, fitiavan’olon-droa, … Fizarana faharoa, miaka-bolana ny fitia ho anareo. Ivetsoina ny fifankatiavana ao anatin’ny ankohonana, ny tontolon’ny reny, ny anjara asan’ ny ray ao anaty fanabeazana, sns. Fizarana fahatelo, miaka-bolana ny fitia ho an’ny teny sy ny tany. Hanehoana fa mifamatotra ny teny sy ny literatiora, ny tany sy ny literatiora, ary ny fitiavana an’i Madagasikara ao anatin’ny mpanoratra na dia any an-tany lavitra aza izy ny monina.
Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny vinan’i Faniry Hantarinivo ny hamoaka ny «Miaka-bolana» ahitana ny fiteny malagasy sy frantsay ary anglisy, afaka enim-bolana. «Sehatra iraisam-pirenena kokoa no iasako. Sady fampivelarana ny talenta no fampivelarana ny kanto malagasy ny fahatanterahan’izany», hoy izy.
HaRy Razafindrakoto




