Faritra Amoron’i Mania : Mijoro ny ivontoerana fikarohana momba ny vaksiny

Roa sosona ary goavana ny asan’ny fanjakana ao Amoron’i Mania. Fotodrafitra roa ho an’ny mpianatra samy hitondra fampandrosoana sy vokatra tsara ho an’ny fampianarana ambony.

Naorina ao Vatovory, Ambositra, ny ivontoerana fikarohana mahakasika ny vaksiny ka notokanana ny faran’ny herinandro teo ho am-perinasa avy hatrany.
Miara-miasa amin’ny Oni­versiten’Antananarivo sy ny “International Vaccine Insti­tute” ary manana anjara toerana lehibe ho an’ny mpianatra sy ny mpikaroka ity laboratoara ity, indrindra amin’ny fanaovana “mémoire”, “thèse” ary fampiharana.
Manamora ny fahazoana fikarohana sy vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony ihany koa izany ary miantoka ny fampandrosoana ny faritra Amoron’i Mania.
Anisan’ny vina entin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres) ny fampiroboroboana ny fikarohana manakaiky vahoaka sy mamaly ny filana eny ifotony.
Nitokana izany ny Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ny Pr Rakotozandrindrainy Raphaël, lehiben’ny Mada­gascar Institute for Vac­cine Research sy Pr Florian Marks, tale lefitry ny Interna­tional Vaccine Institute” Séoul.
Ankoatra ny fitokanana fotodrafitrasa, teo ihany koa ny fanombohana asa vaovao tao Amoron’i mania ihany na­taon’ny fanjakana. Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tao Ankadinanahary, Ambositra, ny vato fototra hanorenana ny “Campus universitaire” any an-toerana.
Ity Campus ity dia hahazaka mpianatra 1500 hahitana birao, trano fianarana 4, efitrano fianarana lehibe, efitrano fa­nohanan-kevitra, efitrano famakiam-boky, “cafétéria”. Eo koa ny “dortoir” R+2 hahazaka mpi­anatra miisa 472 izay atao eny Ankorombe. Vina­vinaina ho vita ny volana jolay 2027 ny asa.
Manohy ny ezaka fananganana fotodrafitrasa ny Me­supres hampanakaiky ny fampianarana ambaratonga ambony amin’ny vahoaka sy hampifanaraka izany amin’ny filan’ny faritra.

Tatiana

Partager sur: