Ady amin’ny aretina homamiadana: Mijoro ny fikambanana Espoir Rose

Nampahafantatra ny fijoroany ny fikambanana Espoir Rose, omaly, amin’ny ady ataony amin’ny aretina homamiadana izay mandemy ny maro amin’izao fotoana. Manana ny vina sy hetsika maro ho fanohanana ireo olona voan’ny homamiadana ny fikambanana.
Zava-dehibe ho an’ny marary ny fanehoana firaisankina, ahatsapany fa tsy irery izy ireo.
Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny haino aman-jery, ny orinasa ary ny olom-pirenena, mikendry ny hanamafy ny fanohanana ireo marary sy hampiroborobo ny fisorohana ary ny fitiliana mialoha. Ilaina ny fanohanana amin’ny maha olona, tohana ara-tsaina ary ny ara-tsosialy.
Tanjona, araka izany, ny hanangana tambazotram-pirahalahiana ho an’ny marary avy amin’ny traikefa ananan’izy ireo. Mikendry ny soatoavina toy ny firaisankina, fihainoana, fanajana ny hasina maha olona ary mitondra fanantenana, araka izany, ny fikambanana.
Ankoatra izany, ny fampahafantarana ny olona momba ny maha zava-dehibe ny fitiliana mialoha izay anisan’ireo dingana lehibe amin’ny ady amin’ny homamiadana.

Tatiana A

Partager sur: