INDRAY MIJERY

Delegasionina malagasy miisa 20 no miofana any Chine. Mahakasika ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny mitondra vohoka sy ny zaza ary ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza amin’ny ankapobeny. Ireo no nodinihina ka andraisan’ny firenena Afrikana miisa 8 anjara.

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Belalanda, distrikan’i Toliara II, faritra Atsimo-Andrefana, ny hetsika Vonjy Longo II, izay mikendry ny hamaliana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampian-tsakafo mianjady amin’ireo mponina marefo any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara.

Mbola heverina hahazo vahana amin’ny ankapobeny ny orana tandrifindrahona amin’ny fiandohan’ny herinandro eto amin’ny Nosy. Varatraza malefaka kosa no handrafitra ny toetry ny andro aorian’izay. Tsy hisy tranga mahery vaika hahina hahakasika ny Nosy amin’ity herinandro ity.

Partager sur: