Nanatanteraka fihaonana tamin’ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny hopitaly miaramila (CenHoSoa), ny zoma lasa teo, mahakasika ny fankalazana ny faha-135 taona nijoroan’ity toeram-pitsaboana ity. Nambaran’ny tale jeneralin’ny CenHoSoa, ny Profesora Jly Ratovondrainy Willy fa hankalazaina amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany tsingerin-taona miavaka izany. Anisan’izany ny hetsika momba ny fahasalamana sy sosialy, toy ny fidinana ifotony any amin’ireo toerana lavitra mila tohana ara-pahasalamana. Eo koa ny varavarana misokatra hanomezana fanazavana ny vahoaka ny tsara ho fantatra momba ireo tolotra ara-pasahalamana sy ireo sampandraharaha misy eo anivon’ny CenHoSoa. Nohamafisin’ireo komity mpikarakara fa ankoatra ireo hetsika ireo, hisy koa ny fanatsarana sy fananganana fotodrafitrasa maro. Tafiditra amin’izany ny fanatsarana sy fampitaovana ny « service rééducation fonctionnelle » sy ny « service gériatrie » na toerana fikarakarana sy fandraisana an-tanana ireo zokiolona, ny fanavaozana ny toerana fipetrahan’ny helikoptera (héliport) ary ny fanatsarana ireo sampandraharaha hafa eo anivon’ny hopitaly. Ny fananganana toerana handraisana ireo marary avy any amin’ny faritra lavitra tonga hitsabo tena. Eo koa ny toerana natokana ho an’ireo vehivavy mampinono miasa na mandalo ao an-toerana. Ho fanatsarana ny fahasalaman’ireo mpiasa ihany koa dia hisy ny fananganana toerana fanaovana fanatanjahantena. Haharitra herintaona ny fankalazana ny faha-135 taona ny CenHoSoa, ka hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny alarobia 19 aogositra 2026 ho izao ary hifarana ny 13 aogositra 2027. Hosantarina amin’ ny fotoam-pivavahana sy ny fitokanana ny tsangambato manamarika ny faha-135 taona izany ary ny fampirantiana momba ny tantaran’ny CenHoSoa izay hanehoana ireo dingana nolalovan’ity toeram-pitsaboana ity nandritra ny 135 taona.
Jean Claude




