Ceni : “Azo tanterahina ny jolay 2027 ny fifidianana voalohany”

Tsy niandry ela. Namaly avy hatrany ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael avy hatrany ny eo anivon’ny Ceni, momba ny fifidianana.

“Araka ny efa nambara hatramin’izay, ny 25 avrily 2027 no hofaranana tanteraka ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Vonona tanteraka ny lisi-pifidianana vaovao manom­boka ny faran’ny volana avrily 2027. Noho izany, tsy olana ny hanatontosana fifidianana amin’ny jolay 2027.” Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, manoloana ny fanambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana tamin’ny filoha vonjimaikan’ny SADC, i M. Cyril Ramaphosa, tatsy Dur­ban, Afrika Atsimo, fa amin­’ny jolay 2027 ny fifidianana voalohany.
Midika ho fahavononana hanatanteraka ny teny nomeny ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fifidianana ao anatin’ny 24 volana ny fanambaran’ny Filohan’ny Fana­vaozana. Ta­fiditra ao anatin’­ izay ny jolay 2027. Zava-dehibe izany satria manambara amin’izao tontolo izao sy ny vahoaka malagasy fa tsy manana hevitra na finiavana handrirotra izao fiton­drana izao ny Filohan’ny Fa­navao­zana. Manana fahavononana hanatontosa ny fifidianana, araka izay efa nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny teny nomeny, izy. Raha ny zava-misy aty Afrika, rehefa misy miaramila mahazo fitondrana aorian’ny hetsi-bahoaka: na voarirotra lava ny fe-po­toam-pitondrana, na hataony amin’izay itiavany azy ny fitondrana ny firenena.

Hajaina ny 24 volana

Eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana: hohajaina ny fe-potoana 24 volana ary hotanterahina any amin’ny jolay 2027 ny fifidianana. Tsy mbola nambarany kosa hoe fifidianana inona izay hatao voalohany izay. Fifidianana lalàmpanorenana sa fifidia­nana filohan’ny Repoblika? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: