Vak’ranty : Tetezana ho amin’ny tsena iraisam-pirenena

Hampiroborobo ny vokatra eto an-toerana, mitady tsena vaovao, hampitombo ny vokatra aondrana ary manararaotra ireo tombontsoa eo amin’ ny tsena afrikanina sy iraisam-pirenena. Ireo no tanjona napetraka nandritra ny Foire économique Vak’ranty natao ny 13 ka hatramin’ny 16 aogisitra teo, tao Antsirabe. Nan­dritra ny roa andro, nifanakalo hevitra tamin’ireo mpisehatra ara-toekarena sy namelabe­latra ny soa fanararaotra amin’ny tsena afrikanina ny ekipan’ny minisiteran’ny Va­rotra sy ny fanjifana sy ny PA Zlecaf. Nivoitra tao anatin’izay ny fampahafantarana ireo tombontsoa sy fanamby ate­raky ny Zlecaf. Nifantoka ta­min’ny fahafahana ara-barotra azon’ny Malagasy mpandraharaha araraotina, indrindra ny paikady ilaina hahafahan’ ny vokatra eto an-toerana miditra sy mifaninana amin’ny tsena afrikanina. Ankoatra izay, nisongadina nandritra ny famelabelaran-kevitra ny momba ny tsena afrikanina sy iraisam-pirenena. Lohahevitra noresahina ny fampiroboroboana sy fampifandraisana ireo hery sy fahafahana ara-toekarena ananan’i Madaga­sikara eo amin’ny tsenan’ny Zlecaf sy ireo tsena iraisam-pirenena hafa. Marihina fa sehatra lehibe hanitarana ny tsena ho an’ny Malagasy ny vokatra ny Zlecaf. Mitohy ny ezaka ataon’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa hanohanana ireo mpandraharaha mba hahafahany misitraka bebe kokoa ireo fahafahana ara-barotra.

Henintsoa

Partager sur: