Notafihin’ny jiolahy : Mpanangona kafe voaroba 3 tapitrisa Ar

Lasan’ny olon-dratsy ny lelavola mitetina 3 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasamadinika, distrikan’i Vatomandry, ny 11 aogositra lasa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-tsokosoko tao amin’ny efitrano nisy ny raim-pianakaviana mivelona amin’ny fanangonana kafe ny jiolahy. Nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy, nanapoaka ny basy ny olon-dratsy ary nitaky ny vola rehetra tao amin’ilay tokantrano lasibatra. Raiki-tahotra, nanome ny vola ilay raim-pianakaviana. Miisa telo ireo jiolahy nanao ny fandrobana tamin’izany. Napo­akan’ireto farany ny fitaovam-piadiana teny aminy rehefa azo ny vola. Nandositra izy ireo. Tetsy ankilany, nitrangana halatra omby tao amin’ny tanànan’i San­drakazo, 10 km miala ny ta­nànan’Ampasama­di­nika, ny 12 aogositra. Ankoatr’ ireo, raim-pianakaviana mivarotra menaka jirofo lasibatry ny asan-jiolahy tao amin’ny sam­panan’Amboditavolo, tamin’io fotoana io. Manao antso avo amin’ny manampahefana ha­na­mafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, araka iza­ny, ny mponina ao amin’ny distrikan’i Vatomandry. Man­dry an-driran’antsy izy ireo ary manao tohivakana ny fanafihan-jiolahy tato ho ato.

Sajo

Partager sur: