Tarika Rheg the Gang: Haharitra adiny telo ny “Antsika ny Rock”

Hitondra ny “Antsika ny Rock” etsy amin’ny Esplanade P2, Kianja Barea Mahamasina, ny tarika Rheg the Gang, ny 30 aogositra ho avy izao. Manomboka amin’ny 2ora ny fanentanana sy ny varotra fampirantiana vokatra isan-karazany (fitafiana , zava-pisotro, tsakitsaky, ravaka samihafa) ataon’ny Otoprod. Hivoaka ny rakitsary ofisialy “Antsika ny Rock”, nalaina nandritra ny seho Ultimate Show… “Haharitra adiny telo tsy miato ny seho ka hisesy holalaovina ireo hira efa nahalalana ny tarika hatramin’ izay, toy ny «Masahisahy», «Raozy», «Emmorheg» … Hisy koa ny hira vaovao maromaro.
« Seho manontolo no hatolotra ka hira 32 any ho any no nomaninay 5 mirahalahy amin’ io andro io”, hoy i Reg, izay sady tompon’ny tranom-pamokarana Otoprod no mpanorina ny tarika Rheg the Gang. Mpanakanto mivoy ny mozika mavesatra efa nahatety vanim-potoana maro teo amin’ny tontolon’ny Rock ny Rheg the Gang.
Manana ny mampiavaka azy eo amin’ny lafiny famokarana sy fanakaikezana ny mpankafy ity tarika ity. Nampanan­tena i Reg fa « amin’ny ankapobeny, tsy manao seho matetika ny Rheg the Gang fa rehefa miseho kosa, tsy mandiso fanantenana ».

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: