Vaovao ratsy indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Fantatra ary efa voamarina fa nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Papa James. Any Afrika Atsimo, toerana nosafidiana nonenana efa an-taonany maro izao no nahalavoany. Volana vitsivitsy lasa izay no niharan’ny herisetra vokatry ny fanakavahana manjaka any an-toerana ity mpanakanto ity. Norobaina ny trano fisakafoana izay natsangan’i Papa James ho antom-pivelomany sy ny fananany any. Nitarika tsy fahasalamana ho azy izany, ary indrisy, tonga amin’izao fahafatesana izao.
Fantatra tamin’ny maha mpampandihy azy tao amin’ny Hilton Madagascar i Papa James. Nialoha izay, efa nisongadina izy, raha namoaka ireo kapila mirakitra ny «Tiako ianao», «Lalana tavela ampitan-drano», «Marary ngoma», sns. Fantatra tamin’ny famerenana ireo sanganasan’i Johnny Hallyday ihany koa izy, na teto Antananarivo na tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy iny. Ankoatra ny maha mpamoron-kira sy mpihira, mpitendry amponga maroanaka koa i Papa James. Tsy nijanona tamin’ny mozika mihitsy na izy tany Afrika Atsimo aza. Anisan’ny nampahafantatra ny salegy tany an-toerana koa mantsy izy. Efa ela no nanam-pikasana ny hamerina an-tsehatra eto an-tanindrazana, ho fanomezam-boninahitra an’i Papa James, i Rossy. Indrisy, tsy tanteraka mihitsy izany.
Manomana ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’ity mpanakanto ity ny fianakaviana. Fanirian’i Papa James hatramin’izay rahateo ny hiverina an-tanindrazana mialoha ny hahafatesany, raha ny nampitain’i Mama James, vadiny. Tsy izay anefa ny lahatra…
Zo ny Aina




