« Talim-poezia », iarahana amin’ireo poetan’ny Tsanta. « Tiako sy andrianiko ny teniko sy ny taniko ». Sady lohahevitra izay no fanafohezana ny anarana nosafidian’ny fikambanana. Hanatontosa Antsa tononkalo ravahina hira izy ireo, ny alahady 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora , ao amin’ny efitrano fanaovana fetin’ny Sainte Famille Mahamasina. Poeta am-polony izy ireo no hanatontosa ny hetsika.
Fanandratana ny hira sy dihin’ny Ntaolo. Hatao eo ampovoan’Analakely mihitsy ny fotoana, ny sabotsy 22 aogositra izao. Hanomboka amin’ny diabe ara-kolontsaina izany, hiainga eny Ambohijatovo ary hihazo ny Lapan’ny tanàna. Hanehoana ny fitafy, ny dihy, ny endri-kolontsaina malagasy rehetra izany. Hitohy amin’ny fampianarana ny hira sy dihy vakodrazana, arahin’ny fampisehoana hataon’ny tarika Loharano izany.
Tontosa omaly, ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy Inde. Nahitana seho sy atrikasa maro samihafa izany, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Nahatsapana ny fifanaikaikezan’ny kolontsaina malagasy sy indianina, indrindra teo amin’ny mozika izany. Nizara ny talentany sy ny fahaiza-manaony tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra eo anivon’ny Anac ireo mpanakanto indianina roa.




