Taorin’ny fivorian’ny solontenan’ny fokonolona ao Toamasina, nivoaka ny didy fampisamborana ho an’ny mpandraharaha momba ny vy iray, omaly. Niainga tamin’ny horonantsary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, niakatra ny hatezeran’ny mponina ao Toamasina. Niroso tamin’ny fivoriana ny ankolafim-pikambanana ao an-toerana, tao amin’ny Antenimieran’ny varotra, Boulevard Jouffres, omaly maraina. Voalaza ho naniratsira tamin’ny teny tsy voahevitra ity mpandraharaha voasaringotra nanao ny horonantsary ity. Nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny solontenan’ny fikambanana nivory fa karohin’ny mpitandro filaminana ary hosamborina ilay mpandraharaha nanao io teny maloto ho an’ny vahoaka ao Toamasina io. Tokony hanome omby mitotaly 298 ho an’ny mponina ao Toamasina voalohany sy faharoa izy raha toa ka hampiharina aminy ny fomba malagasy. Araka ny loharanom-baovao, tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny mpianatra tao Barikadimy, tamin’ny alalan’ny fitondrana antsy lava sy fitaovam-piadiana hafa koa, ity mpandraharaha ity, ny 30 septambra 2025. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Sajo




