“Manala azy”

 

Saika tenenina matetika etsy sy eroa amin’izao fanavaozana izao ny hoe fanovana toe-tsaina. Mby aiza? Na miova ho azy amin’izao ny toe-tsaina, ny fomba amam-panao tsy ahombiazana, ny fahazaran-dratsy… Mila mandini-tena ny tsirairay. Mby aiza koa izay? Fiteny amin’izao fotoana izao koa ny hoe “manala azy”. Tsy inona fa fandaniana andro. Na fanaovana alasafay izay atao, zara fa vita, entim-pahazarana… Anisan’ny mety mahatonga izany ny tsy fandinihan-tena: avy aiza, ho aiza, hanao inona… ? Miaina fe miaina fotsiny sisa… Manala azy e!
Ny amin’izay, matahotra mandini-tena ny maro amin’ izao. Tsy sahy mifanatrika irery amin’ny tenany. Saron’ny hazakaza-dava amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro, mandavantaona. Izany no anisan’ny mahatonga ny fiainana tsy hita be ihany: tsy fantatra hoe atao inona? Manova ny fisainana, fomba fiaina, fifandraisana… Ao anatin’izany, ohatra, ny fandefasan’ny sasany mozika faran’izay mafy na any anaty fiara, na eny an-dalana, na any an-tokantrano… Tahotra fahanginana na fitoerana irery, tahotra fahanginana na tsy fisian’ny feo manosika ho amin’ny fandinihan-tena ho azy. Dia aleon’ny sasany ny tena no donto sy vonto hira sy mozika…. Tsy fahaiza-miaina fotsiny izao?
Tsy vitan’izany, zava-tsy inona indraindray dia mahatohina, mampifamaly, ifandirana, iadian-kevitra, mampitangorona… Inona no fanovana na fanavaozana amin’ izany? Na mila miverina amin’ny tenany amin’ny fandinihan-tena aloha ny tsirairay raha te hiova sy hanova. Avy aiza ka ho aiza, hanao inona na inona no hatao hampandroso. Tsy vitan’ny hoe “manala azy” fotsiny amin’izao izany: mitaky ezaka, fanapahan-kevitra, fahasahiana… Rehefa tsy mahafehy tena, fehezin’ny hafa na ny zava-misy, dia atao izay hanalana azy: loza iray, loza roa…

R. Nd.

Partager sur: