Taksiborosy tra-doza : Mpandeha iray namoy ny ainy, enina naratra

Nandeha mafy, nifatratra tamin’ny sisin-dalana ny taksiborosy iray mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka, teny amin’ny RN44, omaly. Tsy tana ny ain’ny mpandeha iray.

Nivoaka ny arabe, na­moizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana tao Ambohidray, kaominina Morarano Gare, distrikan’i Mo­ramanga, lalam-pirenena faha-44, omaly maraina. Taksi­borosy miloko mena mampitohy an’Ambaton­dra­zaka sy Antananarivo niharan-doza. «Niala tampoka ny iray ta­min’ny kodiarana aloha tamin’ ny fiara», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra misahana ny fanadihadiana ao an-toerana. Nifatra­tra tamin’ny dongon-tany tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Niteraka fahapotehana goavana ary naha­ratrana mpandeha maro. «Miisa enina ireo mpandeha naratra ary efa nentina toeram-pitsaboana», araka ny loharanom-baovao. Vehivavy iray namoy ny ainy. Simba tanteraka ny fiara.
Fandehanana mafy
Ankoatr’io, taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy ny faritra Sava niharan-doza tao amin’ny distrikan’i Vohémar, omaly maraina. Ni­ditra lalana misy fiolahana ny fiara. Tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana ka nifatratra tamin’ny sisin-dalana. Tsy tana ny ain’ny iray ta­min’ireo mpandeha. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ireo naratra. «Man­deha mafy ny ankamaroan’ny mpamily. Manenjika isa manoloana ny vanim-potoana fialantsasatra», hoy ny fanazavan’ny zandary. Mi­seholany ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena nandritra ny telo herinandro. Matetika miafara amin’ny famoizana aina amin’ ireo mpandeha izany.

Tsiferana R.

Partager sur: