Gadra efatra nandositra : Mpiandry fonja roa lahy naratra

Noratrain’ireo gadra miisa efatra tamin’ny alalan’ny zava-maranitra, ka voatery nentina hopitaly ny mpiandry fonja roa lahy tao Andaloasy, kaominina Soajaovato, distrikan’i Diego II, afakomaly. Nikasa haka ny fitaovam-piadiana teny amin’ny mpiandry fonja ireo efa-dahy saingy tsy nahomby ny teti-dratsin’izy ireo. Nanao izay ho afany nanoherana ny mpiambina izy efatra mirahalahy. Nanao tari-dositra vantany afaka tao anatin’ny fonja. Ifampitadiavana ireto farany ary efa nanaovan’ny tomponandraikitra sakana eny amin’ny lalana mampitohy an’Anivorano Avaratra sy Andrafiabe. Miara-miasa ny zandarimaria miasa ao an-toerana sy ny mpiasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny fonja. Naharay fampahafantarana avokoa ireo tomponandraikitra miasa amin’ny kaominina manodidina.

Tsiferana R.

Partager sur: