Raha ny vokatra ofisialy ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea efa nivoaka hatramin’ny omaly, ny tany Toliara no ambany indrindra ny taham-pahafahana. Mbola andrasana ny eto Antananarivo sy Antsiranana.
Nivoaka omaly ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny faritanin’i Toliara, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitantana ny oniversite any an-toerana. Miisa 29 144 ireo mpiadina ka ny 11 427 no afaka fanadinana. Manome ny taham-pahombiazana ankapobeny 39,21 % izany. Raha tsinjaraina araka ny sokajy kosa ny vokatra, ny A1 manana taham-pahafahana 59,95 %; A2: 37,15 %, C: 69,09 %, ny sokajy D: 39,24 %, ny L manana taha 55,05 %, S: 38,07 % ary ny OSE : 66,25 % . Ny teknika kosa nahazo taham-pahafahana 71,10 %. Ny sokajy C siantifika no nahitana vokatra ambony indrindra raha ampitahaina ny sokajy rehetra ho an’ny fampianarana ankapobeny. Nanana mpiadina 56 ny sokajy C nandritra ny fanadinana bakalorea ho an’i Toliara. Nisongadina kokoa ny vokatra ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika raha mitaha amin’ny fampianarana ankapobeny. Haseho eny amin’ireo foibem-panadinana tsirairay ny valim-panadinana. Voalaza kosa fa 75 ireo voakasika amin’ ny tsy fanarahan-dalàna ka tsy maintsy handalo conseil de discipline (filankevi-pifehezana). Hatao fanadihadiana ihany koa ireo tomponandraikitra tamin’ny fampielezana ny valim-panadinana mialoha ny fotoana voatondro, hoy ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitra.
51,57% ho an’i Toamasina
Omaly ihany koa no vita ny délibération ho an’ny faritanin’i Toamasina, tao amin’ny CEG Ratsimilaho. 51,57% ny taham-pahafahana; 50,20% ho an’ny fampianarana ankapobeny, raha 76,23% ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika, araka ny fampahafantarana nentin’ny tomponandraikitra notarihin’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny, omaly. Anio maraina, eny amin’ ny cathédrale medicine, no hiroso amin’ny délibération ny mpampianatra mpitsara ho an’ ny eto Antananarivo, hoy ny tomponandraikitra. Hivoaka aorian’izay ny vokatra ofisialy.
Vonjy sy Sajo




