Ambatokely, RN2 : Mpianaka maty voahitsaky ny kamiao

«Nikasa hisongona moto iray teo alohany, nifampikasoka tampoka ny moto ka nifatratra tany ambany kamiao ireo olona roa nitaingina scooter», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra Carion, omaly maraina. Niainga avy any Manjakan­driana ireo olona roa tra-doza ireo, araka ny loharanom-baovao. Hiditra fiolahana teo amin’ ny toerana atao hoe Ambato­kely, kaominina Ambanitsena, PK25+950, anatin’ny lalam-pirenena faharoa no nitranga tampoka ny loza. «Nentin’ilay tovolahy tamin’ny moto ilay raim-pianakaviana», hoy ny zandary misahana ny famotorana. Tsy tafarin’ity tovolahy namily ity intsony ny moto nentiny. Nisosa avy hatrany tao ambanin’ny kamiao nifanoha-dalana taminy. «Notete­zin’ny kodiarana aorian’ilay kamiao ireo tra-doza», araka ny fanamafisan’ny zandary miasa ao an-toerana. Nota­nana natao famotorana ny mpamilin’ny kamiao. «Tsy ni­janona ilay nitondra moto nifampikasoka tamin’ireo olona namoy ny ainy ireo», hoy ha­trany ny zandary. Karohin’ny mpitandro filaminana anefa izy ireo manoloana ny voina niseho. Tsiahivina fa mpia­naka nitaingina moto niara-matin’ny lozam-pifamoivoizana tao Ilempona, RN7, ny tolakandron’ny alahady lasa teo. Saika ho isan’andro ny lozam-pifamoivoizana mitranga eny amin’ny lalam-pirenena, tao anatin’ny herinandro izay. Miafara hatrany amin’ny faty olona izany ka mila mailo ny tsirairay, indrindra ireo mpampiasa lalana.

Tsiferana R.

Partager sur: