Sao diso fahavalo

 

Raha misy tokantrano iray tsy mifankahazo; eny, na miady aza: voatery mifandamina sy manambatra hery, raha vao misy vahiny miditra. Na hanao soa izany, na sanatria hitondra loza: tsy ananan-kavana ny an’ny tena. Na ankohonana io, na fananana, na fomba amam-pitsi­pika… Manoatra lavitra noho izany ny fifandraisana sy ny fifamatorana amin’ny tanindrazana eo amin’ny mpiray firenena, indrindra amin’izao hoe fanovana na fanavao­zana izao. Mby aiza?
Tanindrazana iombonana i Madagasikara, iaraha-manana. Ny tsirairay mifameno no maha firenena, ifanomezan-tanana, iraisana hina… Tsy atakalo. Izay tena mahasoa ny tena madiorano ve, ohatra, no mampiady fo ny hafa na ny any ivelany amin’izay hampilamina an’i Madagasikara? Eny, na ny hoe mba tsy halain’ny hafa tahaka ihany aza ny toe-drarahara. Aty Afrika no anisan’ ny be korontana politika? Eo koa ny ady tombontsoa eo amin’ny tontolon’ny jeopolitika, isarongotana lava amin’ ireo firenen-dehibe. Politika avo lenta amin’ny diplao­masia?
Tsy izany ve no tokony hifandaminana an-toerana sy hanambarana hery amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao? Tsy ny tena tompon-draharaha, sanatria, no hiady an-toerana. Na toy inona tsy fitoviam-pijery, tsy hanome laka na hamalifaly vahiny. Ady fiady ny fano­vana na fanavaozana. Ndrao diso fahavalo àry no tsy nampandroso izay ela izay? Na ady tombontsoa manokana, samy te ho lohany, mifamingana an-toerana… Lazaina mandrakariva hoe ny fahantrana no fahavalo lehibe sy voalohany ary iombonana. Mby aiza? Na mba efa misy fepetra sy tetiandro ary fanasaziana… Sao diso koa ny ady atao fa sarin’ady, matoa tsy misy iombonana sy mampiombona: tsy mbola tena mitovy ny fahavalo. Fotoan’ny fanovana sy fanavaozana izao? Tena atao…

R. Nd.

Partager sur: