Soa fanararaotra ho an’ny fampiasam-bola sy fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny malagasy mpandraharaha sy Afrika Atsimo ny Tranoben’ny varotra Madagasikara-Afrika Atsimo (Masacham). Vina iraisana ny hampiroboroboana ny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta.
Tetezana hampifandray ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy Afrika Atsimo ny Masacham. Tanjona ny hampiroboroana ny fifanakalozana sy hisarihana ireo mpiara-miombon’ antoka any Afrika Atsimo, hanokafana tsena vaovao sy hampivelatra fiaraha-miasa amina’ ny sehatra samihafa. Misongadina manokana ny fifandraisana sy fifanakalozana eo amin’ireo mpandraharaha. Nivoitra izany nandritra ny fampahafantarana ny Masacham, omaly, teny Antaninarenina. “Kendrena ao anatin’izany ny hanova ireo tombontsoa ara-toekarena ho lasa tetikasa azo tanterahina. Hisy ny fampihaonana ireo
orinasa amin’ny firenena roa tonta, entina hampiroboroboana ny fiaraha-miasa maharitra sy hampirisihina ny fampiasam-bola”, hoy ny filoha lefitry ny Masacham, Rabetsivoh Claudia. Tsindrina manokana ny sehatry ny fambolena sy ny fanodinana sakafo, ny indostria ary ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fizahantany, ny angovo, ny teknolojia, ny fitaterana ary ny tolotra sy tinady.
Rafitra
Ankoatra izay, ho sehatra hifanakalozan-kevitry ny tsy miankina sy ny fanjakana ny Masacham ka hitadiavam-bahaolana amin’ireo mety ho sakana amin’ny fifanakalozana ara-toekarena. Hifarimbona sy hifanome tanana ireo tomponandraikitra samihafa hampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Tanjona ny hametrahana an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo, ho loharanon-karena sy soa fanararaotra ho an’ny fampiasam-bola sy fifampizarana traikefa.
Henintsoa




