Nanomboka ny alakamisy teo, tao Antanandava-Toamasina ny dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny Port Sec III. Nitsirika ny toerana hanaovana ny tetikasa ny orinasa Colas, hanao ny asa, sady nijery sahady ny paikady hametrahana ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire de Toamasina” (PMLP-T). Tanjona ny hananana seranan-tsambo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ankilany, hanamora ny fidirana sy fivoahan’ny kamiao eo amin’ny toerana fametrahana kaontenera vaovao sy toerana fandanjana ny fotodrafitrasa. Kendrena ihany koa ny hananana seranan-tsambo mendrika sy afaka mifaninana amin’ny any ivelany. Vaindohan-draharaha ny hamorona asa sy handraisana mpiasa hatrany amin’ny 8 000. Hipaka mivantana amin’ny fiarahamonina ny fotodrafitrasa satria hampidi-bola ho an’ny mponina ao Antanandava.
Sajo




