Amadia : Mikarakara ETP ho an’ny olon-dehibe

Mikarakara hetsika Education thérapeutique (ETP) ho an’ny olon-dehibe miaina miaraka amin’ny diabeta ny fikambanana Amadia (Andia malagasy miady amin’ny diabeta), anio.Hiaraka handalina ny lohahevitra: ny diabeta sy ny tosidra izy ireo. Hitondra fampianarana amin’io fotoana io ny Dr Ramiandrisoa Lahitriniavo Ritchy. Eny amin’ny Clinique Amadia Faravohitra, manomboka amin’ny 9 ka hatramin’ny 11 ora maraina, ny
fotoana ho an’ireo rehetra liana amin’izany. Maimaimpoana ny fandraisana anjara. Afaka tonga manatrika daholo ny fianakaviana rehetra, na kely na lehibe, mba hahafahan’izy ireo mahalala bebe kokoa momba ny diabeta sy ny fahasalamana.
Ankoatra ny hetsika rahampitso, na mbola ao anatin’ny fotoana fialantsasatra aza, nitohy hatrany ny fampianarana niarahana tamin’ny Amadia. Nisy ny Education thérapeutique (ETP) ho an’ny ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny dia­beta ny fiandohan’ny volana teo. Teny amin’ny foibe Frenjy Faravohitra ny toerana nitondrana ny fifampizarana, niaraka tamin’ny lohahevitra : ny diabeta sy ny fampiasam-batana.

Vonjy

Partager sur: