461 ireo zokiolona manana karatra maha mpikambana nisitraka tantsoroka ara-tsakafo sy ara-pitaovana tamin’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly, tao Itasy. Nizara mivantana izany ny minisitra Rakotoniaina Voahanginirina Cathia.
Ankoatra izay, olona manana fahasembanana miisa 22 ihany koa no nizarana fanampiana, nahitana fitaovan-dakozia sy milina fanjairana. Tanjona ny hanamafisana ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana. Tsy ho vesatry ny fiarahamonina fa tena ho tomponandraikitra amin’ny fivoaran’ny tenany sy ny ankohonany ary ny manodidina azy, izy ireo.
Noho ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny oniversiten’Itasy dia raisina an-tanana manokana ny fianaran’ireo tanora manana toe-tena varira eny amin’ny ambaratonga ambony. Nentanina ihany koa ny rehetra handray azy ireny tsara, tsy handrabiraby satria olona mitovy zo amin’ny rehetra.
Nahazo fanohanana amin’ ny asa fivelomana tamin’ny fanolorana milina fanjairana ihany koa ireo fikambanam-behivavy ao an-toerana ho fanamafisana ny fahaleovantenan’izy ireo.
Nandray anjara tamin’ny asa tanamaro fanadiovana ny tsena tao Miarinarivo ny minisitra sy ireo tomponandraikitra, niaraka tamin’ireo mponina ho fahadiovana sy ho fiaraha-mientana eny anivon’ ny fiarahamonina.
Tatiana A




