Ambohimanga Rova : Roa vavy niaraka hita faty

Tovovavy 17 taona sy 21 taona hita faty teny Ambohimanga Rova, omaly. Novonoina tamin’ny alalan’ny zava-maranitra avokoa izy ireo.

Vatana mangatsiaka, an’i Stephanie sy Haingo­tiana, no hany sisa hi­tan’­ny fianakaviany tao An­dra­­nomatsatso, kaominina Am­bo­himanga Rova, omaly. «Voa­rasa antsy teo amin’ny tendany i Stephanie ary tsatoka zava-maranitra indimy no hita teo amin’ny tendan’i Hain­gotiana», hoy ny fanazavan’i Rado Ambinintsoa, zaodahin’i Stephanie. Nanom­boka tsy hita ireo roa vavy ireo ny ma­rain’ny zoma 21 aogositra lasa teo. Niezaka niantso tamin’ny alalan’ny finday ny fianaka­viany saingy tsy nisy tratra antso izy roa vavy. «Name­traka fitarainana teny anivon’ ny mpitandro filaminana izahay solontenan’ny fianaka­viana ny sabotsy teo», hoy ny fianakaviany. Niroso ta­min’ny fampahafantarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ihany koa izy ireo. Samy nivoaka ny trano hikaroka azy mirahavavy ny fianakaviany, omaly. «Toerana nahitana azy ireo farany ny manodidina an’ Ambohimanga Rova rehefa narahin’ny mpitandro filami­nana ny findain’­ireo olona kar­o­hina», araka ny fanazavana.

Tsy nisy aina intsony
Nidina ifotony teny amin’ ny toerana voatondro ho nampiasan’izy roa vavy farany ny findainy ireo fianakaviany. Hita, saingy efa tsy nisy aina intsony ireo olona nokarohina. Voamarina fa niharan’ny herisetra ara-nofo ny iray tamin’ ­izy roa vavy lasibatra. Velon-taraina manoloana ny zava-misy ny fianakavian’ireto farany manoloana ity vonoan’ olona mahatsiravina ity. Tsy nahazoam-baovao kosa ny mpitandro filaminana misa­hana ny raharaha. «Hiezaka ha­mantatra sy hampita ny zava-misy izahay», hoy ny tomponandraikitry ny zandary nantsoina an-telafaonina oma­ly tolakandro. Anatin’ny fanadihadiana, araka izany, izy ireo. Andrasana ny tohin’ ity raharaha ity.

Tsiferana R.

Partager sur: