Zazavavy miisa 13, 4 hatramin’ny 15 taona, lasibatry ny asa ratsy nataon’ny ramatoa iray tao Aranta, kaominina Mahajanga. Nosamborin’ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana, ny zoma 21 aogositra lasa teo, ny ramatoa iray taorian’ny fitarainana voaray, ny faran’ny herinandro teo. Nitoroka tamin’ny ray aman-dreniny ny iray tamin’ireo zazavavy lasibatra. Nitaraina ho nahare marary rehefa namoaka maloto ny zazavavy iray. Talanjona ny ray aman-drenin’izy ireo satria nanam-bola hatrany ny zanak’izy ireo. Nitovy avokoa ny valin-tenin’ireo zazavavy ireo izay nilaza fa nahita vola. Nilaza ny marina tamin’ny ray aman-dreniny anefa ny iray tamin’ireo zaza lasibatra. Ramatoa monina ao an-tanàna no voatoroka nampanao horonantsary mamoafady azy ireo. Tambazan’ilay ramatoa vola 3 000 Ar hatramin’ny 10 000Ar ireo zazavavy. Niroso tamin’ny fitoriana ny fianakaviana lasibatra. Voasambotra ilay ramatoa. Zazavavy miisa 13 no efa nahazoany horonantsary, araka ny fanadihadian’ny manam-pahefana. Natolotra ny fampanoavana izy.
Tsiferana R.




