Tsiroanomandidy : Mpihady volamena maty nihotsahan’ny tany

Namoy ny ainy ny roa ta­min’ireo mpihady volamena efa-dahy nihotsahan’ny tany tao Tsimbilovolo, fokontany Mandrosoarivo, kaominina Fierenana, distrikan’i Tsiroa­nomandidy, afakomaly. Mpi­tran­draka am-polony no mivelona amin’ny asa fitrandra­hana volamena ao amin’ny kariera iray anatin’io fokon­tany io. Nitranga tampoka ny loza, ny sabotsy 22 aogositra teo. Nianjera ny tamboho le­hibe iray nanamorona ny kariera. Lasibatra ny mpitrandraka miisa efatra. Nifamon­jen’ireo namany nanatri-maso avy hatrany ireo niharan-doza. Voa mafy nandritra ny voina ny roa lahy. Tsy tana ny ain’izy ireo. Tetsy ankilany, nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ny roa lahy hafa naratra. Na­hazo fitsaboana ireto farany ka avotra soa aman-tsara. Nalain’ny fianakaviany kosa ny vatana mangatsiaka an’izy roa lahy namoy ny ainy. Tsia­hivina fa matetika lasibatra ny tranga tahak’ity niseho tao Fierenana ity ny mpitrandraka noho ny fitrandrahana tsy manaraka ny fenitra. Matetika mitarika amin’ny famoizana ny ain’ireo lasibatra ny dona mafy mihatra amin’ny tratra sy fahasemporana. Tsy manana na dia fitaovana hiarovan-tena akory aza ny ankamaroan’izy ireny.

Tsiferana R.

Partager sur: